Taom-baovao Malagasy 2022

image_print

“Sarasara tsy ambaka tompokolahy, sarasara tsy ambaka tompokovavy”

Ho fanomezan-danja ny hetsika momba ny fimaroan-kolontsaina sy ny fimaroan-teny eto amin’ny sekoly Peter Pan, tafiditra indrindra amin’ny fanabeazana maha olom-pirenena vanona, dia nankalazaina ny zoma 1 aprily 2022 lasa teo, teto amin’ny toeram-pianarana ny Taom-baovao malagasy.

Nisongadina tamin’izany ny fampahafantarana ny mpianatra ny atao hoe taom-baovao malagasy. Ny filaharan’ny mpianatra sy ny mpiara-miasa ho fiarahabana ny raiamandreny tamin’ny alalan’ny zava-maneno maredona (mozika, sy amponga) no nentina nanokafana izany, narahan’ny fandraisam-pitenenana, ary ny fampisehoana ireo vako-manitra nataon’ny mpianatra tamin’ny alalan’ny dihy malagasy.

Hita nandritra io asaramanitra io ireo dingana fanao mandritra ny fankalazana ny taom-baovao malagasy: ny fandrehetana afo tsy maty, ny fanolorana hasina sy fiarahabana ny Talen-tsekoly sy ny mpiray dia aminy, dihy malagasy nataon’ny mpianatra, ary nofaranana tamin’ny fanomezana tso-drano ireo mpianatra hanala fanadinana.

Fetim-piravoravoana niavaka ity indray mitoraka ity satria nahafahan’ny mpianatra, mpampianatra ary ny mpandraharaha nanome lanja ny kolontsaina malagasy tamin’ny alalan’ny fomba fitafy, ny dihy, ny hira malagasy ary ny kabary sy fanentanana isan-karazany.

Araho an-tsary

                                         Ho tratry ny arivo taona mitsingeringerina

 

 

Agenda


Rentrée 2022-2023 :

Calendrier de la rentrée